Sora-piankohonana, pasipaoro ary taratasy
Taratasy tsy hita, diso amin'ny anarana, na pasipaoro mbola andrasana: mety hanakana ny zavatra hafa rehetra ireo, toy ny dia, fanambadiana, lova. Fantarinay ny sampan-draharaha tompon'andraikitra, omaninay feno ny antontan-taratasy, ary arahinay ny fangatahana mandra-pahazoanao ny taratasy.
Fidio ny toe-javatra misy anao
Miditra mivantana ao amin'ny fanontaniana ianao, amin'ny dingana mety aminao.
- Pasipaoro: fangatahana voalohany, fanavaozana na antontan-taratasy mbola miandry
- Sora-pahaterahana, sora-panambadiana na sora-pahafatesana tsy hita na diso
- Kara-panondro nasionaly (CIN)
- Casier judiciaire, fanamarinam-ponenana na fanamarinana hafa
- Manao légalisation taratasy ho any ivelany
- Toe-javatra hafa
Tsy ao anatin'ny lisitra ve ny toe-javatra misy anao? Lazao anay.
3 minitra hilazana izay mihantona, avy eo antso maimaim-poana 30 minitra. Raha maika ny raharaha, misy mamaly anao amin'ny WhatsApp 24 ora/24.